Jeremiah 48:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’i Moaba, ary ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa, eny, noho izany dia levona ny harena be izay noharìny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mitaraina hoatra ny sodina ny foko, noho ny amin’i Moaba; eny, ny foko, noho ny amin’ny mponina ao Kir-Heresa, mitaraina hoatra ny sodina. Koa very avokoa izay tombony efa azony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hanaovan’ny foko toloko ho an’i Môaba sy ny olon’i Kira-Heresa, dia toloko miendrika feon-tsodina, satria very ny harena azony.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’i Moaba, ary ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa, eny, noho izany dia levona ny harena be izay noharìny.
malagasy