Jeremiah 48:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, amin’ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny amin’ny kianja malalaka dia misy fisaonana avokoa; satria torotoroiko toy ny fanaka tsy misy ilàna azy intsony i Moaba, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin’ny kianja ao Moaba, tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny; fa nomontsaniko i Moaba hoatra ny fanaka tsy ahoan’ny olona intsony, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy afa-tsy hira fitomaniana no re eny an-tampon-trano rehetra ao Môaba sy eny an-kianja. –«Nopotehiko toy ny fanaka tsy ilaina i Môaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, amin’ny tampon-trano* rehetra any Moaba sy eny amin’ny kianja malalaka dia misy fisaonana avokoa; satria torotoroiko toy ny fanaka tsy misy ilàna azy intsony i Moaba, hoy NY TOMPO.
malagasy
Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.