Jeremiah 48:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa miakatra mitomany tsy misy fiafarany eny amin’ny fiakarana Lohita izy; ary any amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, fa misy fitomaniana ao amin’eny fiakaran’i Loita, mitomany ny olona no miakatra eo; eny, eo amin’ny fidinan’i Hôrônaima, fitarainam-pahoriana no re.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitomany ny sisa velona miakatra ny fiakaran’i Lohita. Re hatrany am-pidinan’i Hôrônaîma ny kiakiaka ateraky ny fandringanana hoe:
Malagasy Bible 1865
Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa miakatra mitomany tsy misy fiafarany eny amin’ny fiakarana Lohita izy; ary any amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
malagasy
Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.