Jeremiah 48:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny harenanao dia ho voasambotra koa ianao; ary i Kemosy dia ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka azy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao no nianteheranao, ry Môaba. Kanjo hay voa koa ianao ity! Indray lasan-ko babo i Kemôsy andriamanitrao sy ny mpisorony ary koa ireo mpitondra anao.
Malagasy Bible 1865
Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny harenanao dia ho voasambotra koa ianao; ary i Kemosy dia ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka azy rehetra.
malagasy
Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.