Jeremiah 49:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny taranak’i Amona. Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy manan-janakalahy va Israely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana i Gada no lasan’ny mpanjakany? Ary nahoana ny vahoakany no monina ao amin’ny tanànany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny mamely ny taranak’i Amôna. Izao no lazain’i Iaveh: Tsy manan-taranaka va i Israely? Tsy manan-kandova va izy? Ahoana no nangalan’i Melkoma an’i Gada ho azy, sy nakan’ny vahoakany fonenana eo amin’ny tanànany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fanambaràna momba ny Hamônita. Izao no lazain’ny TOMPO: «Nahoana ny andriamanitra Milkôma no naka ny tanin’i Gada ho fananany? Ary nahoana ny Hamônita no monina ao amin’ny tanàna israelita? Tsy manan-janakalahy va i Israely mba ho afa-kandova izany?
Malagasy Bible 1865
Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny taranak’i Amona. Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy manan-janakalahy va Israely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana i Gada no lasan’ny mpanjakany? Ary nahoana ny vahoakany no monina ao amin’ny tanànany?
malagasy
[Faminaniana ny amin'i Amona] Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?[Na: Malkana]