Jeremiah 49:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, moa ho afa-maina va ianao? Tsy ho afa-maina ianao fa tsy maintsy hisotro tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro, fa izay tsy tokony hisotro amin’ity kapoaka ity dia hisotro marina tokoa; ka ianao kosa ve ho afa-potsiny? Tsia, tsy ho afa-potsiny ianao, fa hisotro azy marina tokoa!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro fa izay tsy tokony hisotro amin’ny tsatokaty aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edôma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin’ny tsatokaty ianao!
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, moa ho afa-maina va ianao? Tsy ho afa-maina ianao fa tsy maintsy hisotro tokoa.
malagasy
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.