Jeremiah 49:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO, fa ho tonga figagana i Bozra, ho tonga fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ho lao mandrakizay ny tanànany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria, izao no efa nianianako tamin’ny Tenako, - teny marin’i Iaveh: - I Bôsrà dia ho fitalanjonana sy fandatsa, ho tany efitra sady voaozona; ary ny tanànany rehetra ho rava mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, Izaho TOMPO dia mianiana amin’ny tenako ary hentitra ny teny ambarako fa i Bôtserà renivohitrao dia hampahonena ka ho tonga oha-pandatsana ary ho rava ka ho tonga oha-panozonana; ary ireo tanàna lehibe mpifanila aminy dia ho rava mandrakizay.»
Malagasy Bible 1865
Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO, fa ho tonga figagana i Bozra, ho tonga fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ho lao mandrakizay ny tanànany rehetra.
malagasy
Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.