Jeremiah 49:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa efa nahare filazana avy tamin’NY TOMPO aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny Jentilisa hilaza hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa hamely azy ary mitsangàna hanafika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahazo filazana avy amin’i Iaveh aho, sady nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hanao hoe: «Mivoria ianareo, ary mandehana mamely azy, mitsangàna ianareo mba hiady!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahare hafatra avy amin’ny TOMPO aho tamin’ny alalan’ny iraka izay nalefany ho any amin’ireo firenen-kafa nanao hoe: «Mivoria ianareo! Mandehana hamely an’i Edôma! Mitsangàna hanafika azy!
Malagasy Bible 1865
Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa efa nahare filazana avy tamin’NY TOMPO aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny Jentilisa* hilaza hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa hamely azy ary mitsangàna hanafika.
malagasy
Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.