Jeremiah 49:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao; fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona sy ny hambom-ponao, ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato, sady mitoetra eny an-tampon-kavoana. Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy any ianao, - teny marin’i Iaveh.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an’ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao; fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO.
malagasy