Jeremiah 49:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampandrenesako akoran’ady amin’ny famelezana an’i Raba an’ny taranak’i Amona, ho tanàna haolo tanteraka izy, hodorana amin’ny afo ny vohitra miankina aminy; ary haka indray ny anjara lovany amin’ireo izay nandroba azy ny Israely, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hampikotrokotrohako ao Rabàn’ny taranak’i Amôna ny akoran’ady. Dia hanjary antontan-java-drava izy, ary ny zanany hodorana amin’ny afo; ary i Israely kosa handova ny an’ireo efa nandova ny azy, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Indro avy ny andro hampandrenesako akoran’ady ao Rabà, renivohitry ny Hamônita. Dia ho tonga tanàna aolo sy rava izy ary ireo tanàna miankina aminy ho kilan’ny afo ka ho lasan’i Israely indray, hoy Aho, ny fananana efa azy fahiny.»
Malagasy Bible 1865
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampandrenesako akoran’ady amin’ny famelezana an’i Raba an’ny taranak’i Amona, ho tanàna haolo tanteraka izy, hodorana amin’ny afo ny vohitra miankina aminy; ary haka indray ny anjara lovany amin’ireo izay nandroba azy ny Israely, hoy NY TOMPO.
malagasy