Jeremiah 49:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, toy ny kely indrindra amin’ny andian’ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Edôma, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny mponina any Temàna: eny, hotaritarihina hoatra ny ondry malemy izy; eny, hitanàka mihitsy ny taniny fiandrasana biby fiompy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.
Malagasy Bible 1865
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, toy ny kely indrindra amin’ny andian’ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
malagasy