Jeremiah 49:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’i Damaskosy. Very hevitra i Hamata sy i Arpada fa nandre filazana loza izy ka kivy; misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny mamely an’i Damasa. Very hevitra i Hamata sy i Arfada, fa nandre filazàn-doza izy, ka nivarahontsaky ny tahotra, mova tsy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fanambaràna ny amin’i Damasy. Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada! Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy. Manahy sy mitebiteby ny fony ka tsy azo notonena.
Malagasy Bible 1865
Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’i Damaskosy. Very hevitra i Hamata sy i Arpada fa nandre filazana loza izy ka kivy; misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tony.
malagasy
[Faminaniana ny amin'i Damaskosy] Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.[Na: Misy fanahiana hatrany an-dranomasina aza; tsy mahita fiononana ny olona]