Jeremiah 49:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa ketraka i Damaskosy ka mihodina handositra fa tora-kovitra izy; ary azon’ny faharariana sy ny fanaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ketraka i Damasa ka nihodina handositra; azon’ny vadi-po izy; ny fangirifiriana amam-panaintainana manindry azy, tahaka ny vehivavy raha miteraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa ketraka ny olon’i Damasy ka nihodina mba handositra; satria tora-kovitra ireo sady mangitakitaka sy mitaintaina toy ny vehivavy raha miteraka.
Malagasy Bible 1865
Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa ketraka i Damaskosy ka mihodina handositra fa tora-kovitra izy; ary azon’ny faharariana sy ny fanaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.
malagasy
Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.