Jeremiah 49:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’i Kedara sy ny fanjakan’i Hazora, izay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona. Izao no lazain’NY TOMPO: Mitsangàna ianareo ka miakara hamely an’i Kedara ary aringano ny zanaky ny Atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny mamely an’i Sedara sy ireo fanjakan’i Hasora, izay nasian’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna. Izao no lazain’i Iaveh: Mitsangàna, mandehana mamely an’i Sedara, aringano ny taranaky ny Atsinanana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fanambaràna ny amin’ny Arabo ao Kedara sy ireo fanjakan’i Hatsôra izay resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Izao no lazain’ny Tompo: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’i Kedara, Ravao avokoa izay rehetra an’ny olona any an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’i Kedara sy ny fanjakan’i Hazora, izay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona. Izao no lazain’NY TOMPO: Mitsangàna ianareo ka miakara hamely an’i Kedara ary aringano ny zanaky ny Atsinanana.
malagasy
[Faminaniana ny amin'i Kedara sy Hazora] Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.