Jeremiah 49:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava i Ay! Miantsoantsoa mafy, ianareo zanakavavin’i Raba! Misikìna lamba fisaonana ianareo; manaova fisaonana ary mandehandehana eo anaty fefin’ny manda; fa lasan-ko babo ny mpanjakany sy ny mpisorony ary ireo mpanapaka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Migogogogoa, ry Hesebona, fa voaroba i Hai; Midradradradrà, ry zanaka vavin’i Rabah, misikìna lasàka, migogogogoa; mivoivoiza manaraka ny fefy; fa nentin-ko sesitany i Melkôma, mbamin’ny mpisorony ama-mpanapaka miaraka aminy koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry olon’i Hesbôna, manaova hira fitomaniana hoe: «Rava ny tanàna Hay!» Manaova antso vonjy ianareo, ry tanàna miankina amin’i Rabà. Mitafia gony ho fisaonana ary manaova hira fitomaniana sady miveziveze etsy sy eroa ao anaty fefy, fa lasan-ko babo ny andriamanitra Milkôma mbamin’ny mpisorony sy ireo filoham-bahoakany.
Malagasy Bible 1865
Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava i Ay! Miantsoantsoa mafy, ianareo zanakavavin’i Raba! Misikìna lamba fisaonana ianareo; manaova fisaonana ary mandehandehana eo anaty fefin’ny manda; fa lasan-ko babo ny mpanjakany sy ny mpisorony ary ireo mpanapaka azy.
malagasy