Jeremiah 49:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandosira ka mandehana lavitra! Mamitsaha any amin’ny lalina, ry mponina any Hazora! Hoy NY TOMPO; fa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hahavoa anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manavota aina ianareo, mandosira araka izay tratry ny ainareo, mamitsaha, ry mponina any Hasora! - teny marin’i Iaveh. - Fa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, namoron-kevitra hamelezana anareo, nanao fikasana hamelezana anareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry olon’i Hatsôra, mandosira lavitra ka misitriha any anaty lava-bato, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa manana fikasana hamely anareo i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, ary nanomana tetika hahavoa anareo.
Malagasy Bible 1865
Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandosira ka mandehana lavitra! Mamitsaha any amin’ny lalina, ry mponina any Hazora! Hoy NY TOMPO; fa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hahavoa anareo.
malagasy
Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.[Heb. azy]