Jeremiah 49:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho babo ny ramevany ary horobaina ny omby aman’ondriny betsaka, haeliko ho any amin’ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; ary hoentiko avy amin’ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy NY TOMPO,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ramevany ho babonareo, ny biby fiompiny, iray dia marenina, ho remby.» Haeliko any amin’ny rivotra rehetra ireo olona mihety fihirifana ireo, ary hahatonga fandravana azy avy hatraiza hatraiza Aho, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoentin’ny fahavalony ho babo ny ramevany sy ny ondry aman’osiny marobe. Haparitako any amin’ny vazantany rehetra ireo mponina voaharatra fihirifana ireo. Hitondrako fandravana hatraiza hatraiza izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho babo ny ramevany ary horobaina ny omby aman’ondriny betsaka, haeliko ho any amin’ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; ary hoentiko avy amin’ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy NY TOMPO,
malagasy