Jeremiah 49:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hapetrako ao Elama ny sezafiandrianako, ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hapetrako ao Elama ny seza fiandrianako, ka haripako avokoa, na mpanjaka na mpanapaka ao, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hofoanako tsy hisy ao Helama ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony mba hametrahako ny sezafiandrianako ao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hapetrako ao Elama ny sezafiandrianako, ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy NY TOMPO.
malagasy
Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.