Jeremiah 49:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’izay rehetra manodidina anao, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo rehetra sady tsy hisy hamory izay mandositra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro Aho mitondra ny tahotra hamely anao; - tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika,- avy amin’izay rehetra manodidina anao; ka samy horoahina hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo, sady tsy hisy hamory izay mandositra akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao: «Indro Aho hahatonga fampihorohoroana aminao avy amin’ny olona rehetra manodidina anao. Horoahina hizotra eo anoloanareo avy ianareo ka tsy hisy hamory izay mandositra.
Malagasy Bible 1865
Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’izay rehetra manodidina anao, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo rehetra sady tsy hisy hamory izay mandositra.
malagasy