Jeremiah 49:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’i Edoma. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Tsy misy tolo-tsaina intsony va avy amin’ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny mamely an’i Edôma. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna? Lany hevitra va ireo mahira-tsaina? Efa levona va ny fahendren’izy ireo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fanambarana momba an’i Edôma. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?
Malagasy Bible 1865
Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’i Edoma. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Tsy misy tolo-tsaina intsony va avy amin’ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
malagasy
[Faminaniana ny amin'i Edoma] Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?