Jeremiah 5:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehandehana eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo ka zahao sy fantaro ary tadiavo eny amin’ny kianja, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’i Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tetezo ny lalana ao Jerosalema, ka jereo, fotory; savao eny amin’ny kianjany raha sendra mahita olona iray ao ianareo, raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny sy mitady ny hitsiny, dia hamindra fo amin’ny tanàna aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehandehana eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo ka zahao sy fantaro ary tadiavo eny amin’ny kianja, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’i Jerosalema.
malagasy
[Ny faharatsian'ny olona, izay nahatonga ny loza namely azy] Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.