Jeremiah 5:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, dia firenena tsy mety resy, firenena hatry ny ela, firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny sady tsy ho azonao izay lazainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inty Aho mitondra hamely anareo firenena iray avy lavitra, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh; firenena mahery izy io, firenena fahagola, firenena tsy hainao fiteny, ary tsy fantatrao izay lazainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny aminareo indray, ry vahoakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia indro Aho hahatonga firenena avy lavitra hamely anareo, dia firenena tsy mety resy sady anisan’ireo tranainy indrindra, firenena tsy fantatrareo ny fiteniny sady tsy azonareo izay lazainy.
Malagasy Bible 1865
Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, dia firenena tsy mety resy, firenena hatry ny ela, firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny sady tsy ho azonao izay lazainy.
malagasy