Jeremiah 5:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary tsy miteny anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika izay mandatsaka ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana amin’ny fotoanany avy; ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»
Malagasy Bible 1865
Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary tsy miteny anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika izay mandatsaka ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana amin’ny fotoanany avy; ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika.
malagasy