Jeremiah 5:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ratsy fanahy maro no hita ao amin’ny oloko; mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, manao vela-pandrika izy ka olona no azony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Fa misy ratsy fanahy amin’ny vahoakako; mamitsaka toy ny mpamandri-borona mijoko izy, mamela-pandrika izy, ka mahazo olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahitana olon-dratsy manko ao amin’ny vahoakako, miandry kendrin-tohina toy ny mpamandri-borona izy. Namela-pandrika tokoa ny olon-dratsy, mba hisamboran’olona.
Malagasy Bible 1865
Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ratsy fanahy maro no hita ao amin’ny oloko; mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, manao vela-pandrika izy ka olona no azony.
malagasy
Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.