Jeremiah 5:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihamatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy; tsy mety mitsara ady izy mba hahazoan’ny kamboty ny rariny, kanefa mahomby ihany amin’ny ataony, ary tsy mba jereny ny zon’ny mahantra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mihamatavy mandimandina izy ireo. Mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy izy; tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an’ny kamboty...nefa ambinina ihany! tsy manome hitsiny ny mahantra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ho matavy sy mandimandina. Mihoa-pampana ny ratsy ataony: Manohana ny ratsy fanahy izy amin’ny fitsarana fa tsy manome rariny ny kamboty; tsy raharahany akory izay zon’ny mahantra.
Malagasy Bible 1865
Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.