Jeremiah 5:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hampamoahiko amin’izany va izy? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hasiako saziny va izany heloka izany? - teny marin’i Iaveh; ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako!...
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?
Malagasy Bible 1865
Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hampamoahiko amin’izany va izy? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?
malagasy
Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?