Jeremiah 5:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Ianao, nefa tsy nahatsiaro narary izy; nandripaka azy Ianao, nefa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina Taminao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve no zavatra andrandrainao? Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema, nefa tsy nahoany akory izany. Saika hofarananao ny aminy, nefa tsy nino anatra izy. Fa mafy loha toy ny vato izy, ka tsy nety niverina taminao.
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Ianao, nefa tsy nahatsiaro narary izy; nandripaka azy Ianao, nefa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina Taminao izy.
malagasy