Jeremiah 5:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ala ary mandringana azy ny amboadia avy any an-tany efitra; miandry hamely ny tanànany ny leoparda, koa izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fikomiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany ny liona avy any an’ala mamely azy; ny amboadia avy any an’efitra mandringana azy; ny pantera mamitsaka eo anoloan’ny tanànany, ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa; satria efa maro ny hadisoany, ary efa betsaka ny fiodinany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.
Malagasy Bible 1865
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ala ary mandringana azy ny amboadia avy any an-tany efitra; miandry hamely ny tanànany ny leoparda, koa izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fikomiany.
malagasy
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.[lopa]