Jeremiah 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka nianiana tamin’izay tsy Andriamanitra; novokisako izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohotra niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahoana ange no hamindrako fo aminao? Ny zanakao, nahafoy Ahy, sady mianiana amin’izay tsy Andriamanitra. Izaho namoky azy, izy kosa nitolo-tena tamin’ny hafa; mandeha manao andiany, ho any an-tranon’ny vehivavy janga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry Jerosalema ô, ahoana moa no hamelako ny helokao? Ny zanakao efa nandao Ahy ka nianiana tamin’ny andriamani-tsiizy. Novokisako tamin’izay nilainy izy nefa nanitsakitsa-bady ihany, ka nirohotra ho amin’ny fijangajangana.
Malagasy Bible 1865
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka nianiana tamin’izay tsy Andriamanitra; novokisako izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohotra niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga.
malagasy
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.[Na: efa novokisako]