Jeremiah 50:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely eny amin’ny ahitra ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, mifalia ianareo; eny, miravoravoa ianareo, ry mpamabo ny lovako; eny, aoka hifalihavanja hoatra ny omby vavy kely eny an-tanim-bilona ianareo; sady haneno toy ny soavaly lahy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mahazo mifaly sy miravo ianareo izao, ry mpamotika ny fananako! Mahazo mifalihavanja ianareo toy ny vantotr’ombivavy eny amin’ny ahi-maitso sy afa-mikiaka toy ny soavaly mpihazakazaka.
Malagasy Bible 1865
Satria, mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely eny amin’ny ahitra ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;
malagasy
Satria, mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;[Na: ombivavy kely eny amin'ny ahitra]