Jeremiah 50:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ondry iray very lalana ny Israely, liona no nanenjika azy. Ny voalohany nandany azy dia ny mpanjakan’i Asiria, ary ny farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ity izay nanapatapaka ny taolany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Israely dia ondry mania izay nohazain’ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.
Malagasy Bible 1865
Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ondry iray very lalana ny Israely, liona no nanenjika azy. Ny voalohany nandany azy dia ny mpanjakan’i Asiria, ary ny farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ity izay nanapatapaka ny taolany.
malagasy
Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.[Na: nikiky]