Jeremiah 50:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hampodiko ho any amin’ny saha fiandrasana azy indray ny Israely ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; ary any amin’ny tany be havoana any Efraima sy Gileada no hahavoky azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hampodiko ho any amin’ny fonenany indray i Israely ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy; ary eny an-tendrombohitr’i Efraima sy i Galaada, izy no handeha hivoky.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Israely kosa haveriko amin’ny kijana fiandrasana azy, ka hirao-bilona any Karmela sy any Basàna; ary eo an-tendrombohitr’i Efraîma sy ao Gilehada no hahafa-po sy hahavoky azy.
Malagasy Bible 1865
Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hampodiko ho any amin’ny saha fiandrasana azy indray ny Israely ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; ary any amin’ny tany be havoana any Efraima sy Gileada no hahavoky azy.
malagasy
Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy.