Jeremiah 50:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ambaraonareo, eny, torio any amin’ny firenena, ary manangàna faneva, torio fa aza afenina, lazao hoe: Azo i Babilona! Mangaihay i Bela, raiki-tahotra i Merodaka! Eny, mangaihay ireo sarin-javatra nataony ary raiki-tahotra ny sampiny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao amin’ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilôna, henatra moa izao ho an’ny sampiny ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an’i Bela, ary haketrahana ho an’i Merôdàky.
Malagasy Bible 1865
Ambaraonareo, eny, torio any amin'ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ambaraonareo, eny, torio any amin’ny firenena, ary manangàna faneva, torio fa aza afenina, lazao hoe: Azo i Babilona! Mangaihay i Bela, raiki-tahotra i Merodaka! Eny, mangaihay ireo sarin-javatra nataony ary raiki-tahotra ny sampiny!
malagasy