Jeremiah 50:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia hotadiavina izay heloky ny Israely fa tsy hisy; ary izay fahotan’ny Joda fa tsy ho hita; satria havelako ny helok’izay sisa narovako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, - teny marin’i Iaveh, - hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany, ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany, satria havelako heloka izay sisa navelako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho TOMPO dia manao teny hentitra hoe: Amin’izany andro izany, na dia hotadiavina aza ny fahadisoan’i Israely sy ny helok’i Joda, dia hanjavona tsy ho hita intsony; satria havelako heloka ireo sisa notsimbiniko ho velona.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia hotadiavina izay heloky ny Israely fa tsy hisy; ary izay fahotan’ny Joda fa tsy ho hita; satria havelako ny helok’izay sisa narovako.
malagasy