Jeremiah 50:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iakaro i Merataima sy ny mponina ao Pekoda, ravao sy aringano ho toy ny zavatra voaozona ireo, hoy NY TOMPO, ary tanteraho izay rehetra nandidiako anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miaraka hamely ny tanim-piodinana, sy hamely ny mponim-panasaziana, ravao, aringano mifanarakaraka izy, - teny marin’i Iaveh, - ka tanteraho avokoa izay nandidiako anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tafiho ny tanin’i Merataîma! Tafiho izy sy ny mponina ao Pekôda. Vonoy ho faty ireo ka aringano hatramin’ny olona farany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tanteraho izay rehetra voadidiko!
Malagasy Bible 1865
Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iakaro i Merataima sy ny mponina ao Pekoda, ravao sy aringano ho toy ny zavatra voaozona ireo, hoy NY TOMPO, ary tanteraho izay rehetra nandidiako anao.
malagasy
Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.[Anaran'i Babylona io][Heb. ataovy herema]