Jeremiah 50:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontam-bary, ka levòny ho toy ny zavatra voaozona avokoa izay ao, fa aza avela hisy sisa ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avia hamely azy avokoa ianareo any rehetra any, vohay ny sompiny ka atokotokoy hoatra ny antontam-bary, dia levòny; fa aza avela hisy sisa na dia kely aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatrany am-paran’ny tany, avia avokoa ianareo rehetra hamely azy. Sokafy ny fitehirizam-bokany ka avangongoy ho antonta iray ny remby; fa aringano tanteraka ny tanàna: aoka tsy hisy tavela intsony!
Malagasy Bible 1865
Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontan-bary, ka levony avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontam-bary, ka levòny ho toy ny zavatra voaozona avokoa izay ao, fa aza avela hisy sisa ho azy.
malagasy
Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontan-bary, ka levony avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.[Heb. ataovy herema]