Jeremiah 50:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Injany misy feon’izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ny tany Babilona, hanambara ny famalian’NY TOMPO Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fikiakiak’ireo mandositra, sy ireo mitsoaka miala amin’ny tanin’i Babela! Manambara any Siôna ny famalian’i Iaveh Andriamanitsika izy, dia ny famaliany noho ny amin’ny tempoliny!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Injany ireo mpandositra afa-nitsoaka avy any Babilônia mitondra ny vaovao ao Tsiôna: namaly faty an’i Babilôna ny TOMPO Andriamanitsika, namaly faty azy noho ny tempoliny masina Izy.
Malagasy Bible 1865
Injany! misy feon'izay mandositra sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, hanambara ny famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Injany misy feon’izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ny tany Babilona, hanambara ny famalian’NY TOMPO Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
malagasy
Injany! misy feon'izay mandositra sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, hanambara ny famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.