Jeremiah 50:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’i Babilona, dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; mitobia manodidina hamely azy; aoka tsy hisy ho afa-miala izy; valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony no mba ataovy aminy kosa; fa niavonavona tamin’NY TOMPO izy, dia tamin’ny Iray Masin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Antsoy hamely an’i Babela ny mpandefa tsipìka, mbamin’izay rehetra mpanenjana tsipìka, mitobia manodidina azy ianareo; aza misy afa-mandositra! Valio araka ny asany izy. Toraky ny nataony rehetra no mba ataony aminy kosa, fa nitsangana hanohitra an’i Iaveh, hanohitra an’ilay Masin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Antsoy ny mpandefa zana-tsipîka, dia ireo rehetra mpanenjana tsipîka, ka vorio hamely an’i Babilôna. Aoka ireo hitoby manodidina azy ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala. Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy ka izay rehetra nataony tamin’ny hafa no mba ampiharo aminy kosa! Satria izy niavonavona tamin’ny TOMPO, dia tamin’ilay Masin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’i Babilona, dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; mitobia manodidina hamely azy; aoka tsy hisy ho afa-miala izy; valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony no mba ataovy aminy kosa; fa niavonavona tamin’NY TOMPO izy, dia tamin’ny Iray Masin’ny Israely.
malagasy
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.[Na: ny mahery]