Jeremiah 50:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady mbamin’ny olona samihafa firenena rehetra ao aminy ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro, hisy sabatra hamely ny trano fitahirizany ka horobaina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny, mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany, ka aoka ho toy ny vehivavy ireny! Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy ady hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ny olona rehetra samy hafa firenena ao aminy, ka halemy toy ny vehivavy izy! Hisy ady hamely ny haren-tsarobidiny, ka ho voaroba ireo!
Malagasy Bible 1865
Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady mbamin’ny olona samihafa firenena rehetra ao aminy ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro, hisy sabatra hamely ny trano fitahirizany ka horobaina izany.
malagasy