Jeremiah 50:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fihantonan’ny andro no mahatankina ny ranony; fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary mahalasa adala azy ny sampiny mahatahotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faharitana anie no ho amin’ny ranony, ka aoka ho tankina! Satria tanin-tsampiny ary eo anatrehan’ireny zava-mampahatahotra ireny, dia mirebireby izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy ady hamely ny reniranony, ka ho ritra ireo! Satria tany be sarivongan-tsampy io, dia sary mahatsiravina sady mahatonga izay manompo azy hirediredy.
Malagasy Bible 1865
Ny fihantonan'ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fihantonan’ny andro no mahatankina ny ranony; fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary mahalasa adala azy ny sampiny mahatahotra.
malagasy
Ny fihantonan'ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.