Jeremiah 50:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ny bibidia any an-tany efitra sy ny kary ary ny aotirisy no honina ao; tsy honenana intsony izany mandrakizay ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ny biby any an’efitra aman’amboadia no honina eo, ny ostritsa no hiorim-ponenana eo; fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay; tsy hisy mponina intsony eo, amin’ny taona mifandimby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany dia ny kary sy ny amboadia no honina ao Babilôna; ary ny vorombe koa no hipetraka ao. Fa tsy honenana intsony izy mandrakizay ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka mifandimby.
Malagasy Bible 1865
Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ny bibidia any an-tany efitra sy ny kary ary ny aotirisy no honina ao; tsy honenana intsony izany mandrakizay ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
malagasy
Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.[Heb. jakala]