Jeremiah 50:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna eny akaikiny, hoy NY TOMPO, no tsy hisian’ny olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny tamin’ny nandravan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna manodidina azy, - teny marin’i Iaveh, - no tsy hisian’olona monina eo; ny zanak’olombelona tsy hitoetra eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny nandravako an’i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna teny akaikiny, no hataoko amin’i Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, ka tsy hisy olona honina na hivahiny any intsony.
Malagasy Bible 1865
Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna eny akaikiny, hoy NY TOMPO, no tsy hisian’ny olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any intsony.
malagasy
Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.