Jeremiah 50:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsipìka sy lefona no entiny; lozabe sy tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy, ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, ady hamelezana anao, ry Babilona zanakavavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsipìka aman-dongy no entiny an-tanana; olo-masiaka tsy mahalala antra izy. Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony, mitaingin-tsoavaly izy, milahatra hoatra ny olona iray monja, hamely anao, ry zanaka vavin’i Babela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampirangaranga tsipîka sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy, ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Babilôna!
Malagasy Bible 1865
Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsipìka sy lefona no entiny; lozabe sy tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy, ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, ady hamelezana anao, ry Babilona zanakavavy.
malagasy