Jeremiah 50:44 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy; nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy; fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro izy miakatra toy ny liona, avy ao an-kirihitralan’i Jordany, izay misy vilona mandrakariva, fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao, ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao. fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy, ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»
Malagasy Bible 1865
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron 'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy; nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy; fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
malagasy
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?[Heb. ny reharehany][Na: fonenany mafy]