Jeremiah 50:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Babilona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ny ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Babela, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin’ny Kaldeanina; Eny, hotaritarihina hoatra ny ondry osa izy; ary ho gaga foana amin’izany ny tanim-bilona!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.
Malagasy Bible 1865
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Babilona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ny ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
malagasy
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.