Jeremiah 50:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hiatrika hankany ka hiteny hoe: Avia ka maneke NY TOMPO amin’ny fanekena mandrakizay tsy hohadinoina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanontany ny lalana mankany Ziona* izy sady hiatrika hankany ka hiteny hoe: Avia ka maneke NY TOMPO amin’ny fanekena mandrakizay tsy hohadinoina.
malagasy
Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.