Jeremiah 50:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ondry very ny oloko, fa nampirenireny azy ny mpiandry azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny ka hadinony ny tany fatoriany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa andian’ondry nanjiona ny oloko, narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka; nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy, ka nanadino ny valany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andian’ ondry very ny vahoakako fa ny mpiandriny no nandiso lalana azy, ka nampirenireny azy teny an-tendrombohitra. Nifindrafindra tendrombohitra sy havoana izy ka nanadino ny vala fandriany.
Malagasy Bible 1865
Ondry very ny oloko, fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny. Ka hadinony ny tany fandriany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ondry very ny oloko, fa nampirenireny azy ny mpiandry azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny ka hadinony ny tany fatoriany.
malagasy