Jeremiah 50:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony dia niteny hoe: Tsy manan-keloka izahay satria nanota tamin’NY TOMPO, fonenan’ny fahamarinana izy, dia NY TOMPO, fanantenan’ny razany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa; ka hoy ny fahavalony: «Tsy meloka isika! satria izy ireo efa nanota tamin’i Iaveh, ilay fonenan’ny fahamarinana; tamin’i Iaveh, ilay fanantenan’ny razany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay fahavalo rehetra nahita azy dia nandripaka azy avokoa sady nanao hoe: «Tsy misy mahadiso antsika izao, satria ireo no meloka eo anatrehan’ny TOMPO izay fonenam-pamonjena sy fanantenan-drazany.»
Malagasy Bible 1865
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin'i Jehovah, fonenan'ny fahamarinana, dia Jedovah, fanantenan'ny razany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony dia niteny hoe: Tsy manan-keloka izahay satria nanota tamin’NY TOMPO, fonenan’ny fahamarinana izy, dia NY TOMPO, fanantenan’ny razany.
malagasy
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin'i Jehovah, fonenan'ny fahamarinana, dia Jedovah, fanantenan'ny razany.