Jeremiah 50:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, hanaitra sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’i Babilona Aho; ary ireo dia hilahatra hamely azy, koa avy ao no hahazoany azy; ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay ny zana-tsipìkany ka tsy miverina foana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro Aho hanainga sy handefa hamely an’i Babela ny fitambaran’ny firenena lehibe avy amin’ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa firenena lehibe manao andiany no hotairiko sy halefako hanafika an’i Babilôna. Ho tonga avy any avaratra ireny ka hilahatra hiady aminy sy hahazo azy. Tsy hivena mihitsy ny zana-tsipîkany fa ho toy ny miaramila zatra ady ka tsy hiverim-potsiny.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, hanaitra sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’i Babilona Aho; ary ireo dia hilahatra hamely azy, koa avy ao no hahazoany azy; ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay ny zana-tsipìkany ka tsy miverina foana.
malagasy