Jeremiah 51:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hampirisihiko ny fanahin’ny mpandringana hamely an’i Babilona sy izay monina ao Leba-Kamay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Indro hohetsehiko hamely an’i Babela sy hamely ny mponina amin’i Kaldea ilay fanahy mpandringana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Indro misy tafio-drivotra mpandrava asaiko mitsoka hamely an’i Babilôna sy hamely ny mponina ao aminy.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hampirisihiko ny fanahin’ny mpandringana hamely an’i Babilona sy izay monina ao Leba-Kamay.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.[Leba-kamay = Kaldea]